Fiadidiana ny Repoblika : “Adihevitra ny fizakan’ny filoha zom-pirenena vahiny”

“Malagasy ray sy reny ary mbola mizaka feno ny zom-pirenena malagasy sy manana fitiavan-tanindrazana ny filoha Andry Rajoelina”, hoy ny talen’ny Serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe eo anivon’ny fiadidiana ny Re­poblika, Ranoromaro Lova Hasinirina, teny Ambohitso­rohitra, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny adihevitra momba ny fizakan’ny filohan’ ny Repoblika zom-pirenena vahiny. Notsiahiviny ny tenin’ ny filoha fa tsy misy afa-manala ny ra malagasy mikoriana ao anatiny. Porofoina amin’ny asa izany maha Malagasy sy ny fitiavan-tanindrazana iza­ny.

Misy dingana arahina, araka ny lalàna, vao azo esorina ny zom-pirenena malagasy amin’ny olona iray. Na olon-tsotra io, na manampahefana. Izay voakasik’izany no mangataka hanala ny zom-pirenena malagasy. Mila an­katoavin’ny governemanta amin’ny alalan’ny didim-panjakana izany. Noho izany, adihevitra diso ny filazana fa tsy Malagasy sy tsy mizaka ny zom-pirenena malagasy intsony ny filoha Rajoelina. Tokony hajanona io adihevitra diso io, fa tsy mitondra amin’ny fampandrosoana ny firenena.

R. Nd.

Partager sur: