Ravan’ny polisy tao Antsirabe, ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana mahery vaika, ny sabotsy lasa teo. Enina mianadahy ireto jiolahy ireto no nifanehatra tamin’ny polisy tamin’io fotoana io. Nanano sarotra ny fanenjehana ireo olon-dratsy satria efa nandritra ny enim-bolana no nifanenjehana tamin’izy ireo, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny polisy. Tsy vitan’izay fa misy efa nigadra tany am-ponja ny sasany, saingy miverina manohy ny asa ratsiny hatrany isaky ny mivoaka ny fonja. Maro ny fanafihana vitan’izy ireo tao an-drenivohitry ny faritra Vakinankaratra. Nisy tamin’ireo lasibatra no efa namoy ny ainy sy naratra vokatry ny fanafihana nataon’izy ireo. Anisan’ny nampanahirana ny fanenjehana azy ireo koa ny fanafenany endrika amin’ny alalan’ny fanaovana solovolo. Mbola nahitana solovolo rahateo tany amin’izy ireo nandritra ny fisamborana. Anaovana fanadihadiana eny amin’ny polisy izy ka hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana azy.
Jean Claude