Notontosaina ny sabotsy teo ny fanofanana ireo mpanjono 115 momba ny ny rojom-pihariana trondro na « cartographie de la chaine de valeur poisson » tao Andranobe atsinanana, Antsirabe, faritra Vakinankaratra. Anisan’ny lohahevitra noresahiny tamin’izany ny fampahafantarana momba ny asa rehetra sy ny mpandray anjara ary ireo pitsopitsony manodidina ny sehatry ny jono. Ao koa ireo singa mifampiankina izay mandrafitra ny rojom-pihariana trondro, ny andraikitry ny singa tsirairay avy sy ny maha zava-dehibe ny fifandraisan’ireo singa mandrafitra izany. Voaresaka nandritra ny fampiofanana ny mpanjono ny fampirisihana ireo mpanjono hitodika amin’ny fiompiana trondro fa tsy hionona amin’ny fanjonoana fotsiny. Atao izany mba hahafahana mitantana maharitra ny farihy mba ho lovain-jafy. Tafiditra amin’izany ny fanomezana ireo teknika sy toromarika rehetra tokony ho fantatra mahakasika izany. Nahafahana nanao ity fiofanana ity ny fiaraha-miasan’ny talem-paritry ny jono sy ny toekarena manga Vakinankaratra, ny kaoperativa Fifimpava ary ny kabine Formeco izay tohanan’ny tahiry famatsiam-bola malagasy ho fampiofanana ny mpiasa (FMFP).
Nanatontosa : Henintsoa H.