« Star Tour Tanà » : nafana ririnina ny Coliseum

3 andro an-danonana. 3 andro nahitana olona nifanare­tsaka, tonga namonjy ny karazam-pialamboly natolotra azy, ny tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe. Nahatratra ny tanjona napetraka ny hetsika « Star Tour Tanà », tontosa ny zoma hatramin’ny alahady lasa teo. Tsy nahasakana ny mpiala voly ny hatsiaka, indrindra nandritra ny fotoan’ny fanentanana sy ny fampisehoana. Niavaka amin’ny mahazatra ny toerana, satria ny tokontany malalaka aty ambony no nampiasaina fa tsy ny sehatra lehibe mahazatra.
Tomefy olona ny andro voalohany. Antony iray, noho izy zoma, nanomboka ny fialambolin’ny faran’ny herinandro sy nampiditra ny fetim-pirenena ihany koa. Antony faharoa, naha­sarika ny mpankafy hatrany ny tarika AmbondronA, izay nialohavan’i Mad Max teo amin’ny sehatra lehibe. Niniana natao nilamindamina kokoa ny andro faharoa, kanefa dia nirohotra hatrany ireo mpiala voly, indrindra ireo mpankafy an’i Ceasar sy Nael. Mazava loatra fa tsy hay notohaina izy ireo ny andro fahatelo. Efa nanintona mpiala voly ny tolotra rehetra izay nifanindry tamin’ny andron’ny 25 jona, efa fanaovana fety. Mainka fa nisy ny sehon’i L Jo, Samöela ary i Stéphanie, nameno izany. Any Toamasina indray ny Star Tour” manaraka.

Zo ny Aina

Partager sur: