Nihintsana teo amin’ny manasa-dalana ny fifaninanana eran-tany « Davis Cup », izay atao any Kinshasha, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tenisy. Mijanona ao amin’ny “Groupe V” kosa anefa izy ireo. Lavon’i RD Congo, mpampiantrano ny fifanintsanana, tamin’ny isa 2 no ho 1, i Madagasikara, ny sabotsy lasa teo.
Teo amin’ny lalao “Simple 2”, lavon-dRasendra Fenosoa, tamin’ny seta 2 no ho 0 (7/5, 6/2), i Christian Saidi. Ho an’ny “Simple 1”, lavon’i William Bushamuka, tamin’ ny seta 2 no ho 0 (6/2, 6/3) i Andriamasilalao Lucas. Raha ny “double décisif”, nampiondrehan-dry William Bushamuka sy Sarma Nkulufa Da Silva, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/2, 6/1) ry Raharivony Nicolas sy Andriamasilalao Lucas.
Araka izany, ny ekipa voafantin’i Burundi sy RD Congo no tafita ao amin’ny Groupe IV, amin’ny taona 2024, ny mpilalaon’i Burundi nandresy an’i Gabon, tamin’ny isa 2 no ho 0.
Tsara ny mampahafantatra fa anisan’ny fanomanana atao amin’ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay hatao eto amintsika, manomboka ny 25 aogositra – 3 septambra, ny “Davis Cup”.
Fitia (Mpianatra asa)