Tetikasa Power : vehivavy 250 nahazo fiofanana

Nikarakara atrikasa tao Antsirabe, ny Antenimieran’ny varotra amerikanina eto Madagasikara (AmCham) sy ny masoivoho amerikanina, ny herinandro lasa teo. Nentina nifampizarana fahalalana sy nanamafy ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny fandraharahana izany. Nandray anjara ny vehivavy mpandraharaha maherin’ny 70 avy ao Antsirabe sy ny manodidina. Naharitra telo andro ny atrikasa izay nofaranana tamin’ny hetsika “Power 3”.
Efa nisy ny atrikasa natao teto Antananarivo sy tany Toa­ma­sina ny fiandohan’ny taona. Manodidina ny 250 ny vehi­vavy nisitraka ny tetikasa “Power 3”. Miasa eo amin’ny sehatry ny sakafo sy ny fambolena. Maro no sambany vao nandray anjara tamina fiofanana arak’asa. Nahitana mpampiofana maro ny atrikasa tsirairay. Nisy manampahaizana momba ny tsena amerikanina, izay nizara torolalana momba ireo fepetra takin’ny tsena.
Anisan’ny nanao famelabelaran-kevitra ihany koa ny manampahaizana manokana momba ny famatsiana sakafo. Niampy ireo mpandraharaha izay samy nizara ny tantara momba ny fahombiazany avy.
Nifantoka tamin’ny fomba fihariana maharitra sy manaja ny tontolo iainana ary ny resaka famatsiam-bola ihany koa ireo atrikasa.

 Tatiana A

Partager sur: