Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena ireo mpanohana ny orinasa Base Toliara. Maherin’ny 3 000 no nilahatra. Mivondrona anaty fikambanana miisa 30. Ahitana ny mponina akaiky ny toeram-pitrandrahana fasimainty, ny ao Toliara an-tampon-tanàna, hananganana ny toerana hanondranana ny vokatra, sns. Anisan’ny antso avo nataon’ny solontenan’ny fikambanam-behivavy ny hoe : «mangetaheta fampandrosoana sy asa izahay, mitaky ny hanokafana ny Base Toliara».
Nankalaza koa ny mponina any Belalanda sy Maromiandra, nilazan’ny ben’ny Tanàna roa, fa anisan’ny tetikasa vitsy afaka manome asa maro any Toliara ny Base. Satria tsy misy afa-tsy ny jono no hany fidiram-bolan’ny mponina. Hanafaingana ny fampandrosoana ny kaominina.
Nampitaraina ireo tanora nahazo fiofanana tamin’ny Base Toliara ny fampiatoana azy. Toy ny fampiofanana mikasika ny zaitra, ny fanaovana mofomamy, ny tanora nianatra tany Kenya, sns. Nizotra tsara koa ny fankalazana ny fety tany Tsianisiha, izay mandray ny Base ho fanalahidin’ny fampandrosoana.
Njaka A.