Fanadinana bakalorea : manomana “cours” maimaimpoana ny CUA

Mikarakara cours maimaimpoana ho an’ireo mpanala fanadinana bakalorea ny Kaominina Antananarivo Reni­vohitra. Miandraikitra izany ny sampandraharaha misahana ny sosialy sy ny fahasalamana ary ny fanabeazana. Hotante­ra­hina ny 3 ka hatramin’ny 7 jolay ny fanampiana ireo mpiadina. Manomboka amin’ny 8 ka hatramin’ny 12 atoandro. Hizara roa ny toerana hanatanterahana izany. Hisy ao amin’ny Tranom­pokonolona Isotry. Ny hafa etsy amin’ny Tranompokonolona Analakely. Tanjona ny hahafahana mandray ireo mpianatra rehetra maniry ny hisitraka ny fampianarana.
Efa misokatra ny fisoratana anarana ao amin’ny biraon’ny BMH Isotry sy ao amin’ireo Tranompokonolona roa hanatanterahana ny hetsika. Mahakasika ny taranja rehetra ny famerenana hatao. Hiarahana amin’ny mpampianatra matihanina ny tolotra. Fotoana hanolorana ny paikady hifehezana ny rarin­tsaina sy hananana fahatoniana miatrika fanadinana ihany koa izany.
Ao anatin’ny dimy andron’ny faradoboka, no hanararaotan’ ny mpianatra manontany ireo teknika fampiharana ny lesona sy ny raikipohy amin’ny fomba tsotra. Hamintinana ny lesona izay heverina hivoaka any amin’ny fanadinana ihany koa.

Tatiana A

Partager sur: