Herinandron’ny Haratonaina : hatao eto Atananarivo ny fakan-kevitra

Hofaranana eto Antanana­rivo, ny 6 hatramin’ny 8 jolay izao, ny “Herinandron’ny Hara­tonaina”. Mikarakara izany ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy. Hisy ny fakan-kevitra hiantsoana
ny rehetra ahafahana manao tombana sy manatsara ny dingana manaraka. Hatao etsy amin’ny Parvis, Lapan’ny Tanàna, Analakely ny hetsika. Hisy ny varotra fampirantiana hotanterahin’ireo mpisitraka ny tetikasa.
Hitohy amin’ny fitsidihana ireo mpisitraka any Imerintsia­tosika ny fanamarihana ny
« Herinandron’ny Harato­naina ».Tanjona ny hanaporofoana ny fivoaran’izy ireo taorian’ny tantsoroka maro natao.
Misy ny tetikasa « Asa Avotra mirindra », ho an’ny teto Antananarivo. Nentina nanampiana ny tantsaha amin’ ireo kaominina manodidina. Nisy ny haratonaina an-tanàn-dehibe. Nampiharina tamin’ny tanàna telo manerana ny Nosy. Anisan’izany ny eto Antananarivo Renivohitra. Manginy fotsiny ny fanome­zana tosika ara-bola sy tan­tsoroka hanarenana ny fiai­nan’ireo tena sahirana.
Mampiavaka ny fiahiana sosialy nandritra ny 8 taona ny hananan’ny fianakaviana sa­hirana fahaleovantena ara-pivelomana sy ho afaka tante­raka anaty fahantrana lalina. Rehefa vita ny tetikasa, mitohy ny ezaka fa tsy hiverin-dalana intsony ny mpisitraka.

Tatiana A

Partager sur: