Handimby ny « Revy Rock » ny « Hiaraka Mi-Rock » ! Manohy ny lalany eo amin’ny tontolon’ny mozika hatrany ny tarika Serge GPE. Rahampitso zoma 30 jona, hanomboka amin’ny 7 ora hariva, ao amin’ny 26 Twenty six, Karibotel Analakely, no hitondran’izy ireo indray ny « Hiaraka Mi-Rock ». Hifanakaiky amin’ny mpankafy ny kanto ry zareo amin’io fotoana io. « Vonona ny hanome ny kanto izahay… Miandrandra ny fahatongavanareo mpitia rock sy mozika mavesatra… Rock ranoiray rahateo no hiarahantsika. Ao ireo hira efa henonareo fa misy koa ny vaovao », hoy i Serge GPE. Ho vahinin’ny tarika amin’io rahampitso io ry Gongary sy ny tarika Oxygen, samy mpiangaly mozika rock ihany koa. Hanafana ny sehatra ihany koa ny DJ Chris Lazer. I Chris kosa no hanentana.
Anisan’ny hira sy rindrantsary (clip) navoakan’ny Serge GPE tamin’ity volana ity ny « Aiza no marina ». Maneho sy mitantara ny zava-misy momba ny tontolon’ny fivavahana iainan’ny Malagasy, mitranga eny anivon’ny fiarahamonina. Fantatra fa hanatanteraka seho ho an’ireo izay tsy mba afaka mivoaka amin’ny alina ny tarika atsy ho atsy.
HaRy Razafindrakoto