Mety ho anarana vaovao amin’ny maro. Azo antoka anefa fa hiverimberina ary halaza tsy ho ela. Mihora Andrianina, Aina Maharavo, Zina Rabedaoro, Deds Clodio ary Tsiresy Radilofera. Tanora mpanao hatsikana, homena sehatra eny Itaosy aloha…
Toa tsy misy misongadina mihitsy ireo tanora mpanao hatsikana? Fanontaniana heno mipetraka matetika io. Ny valiny akaiky indrindra: tsy ampy ny sehatra ivelarany. Misy ary maro tokoa ireo tanora miditra amin’ny hatsikana amin’ izao fotoana. Misy ihany ny hetsika tetsy sy teroa, nampahafantarana azy ireo sy ny sanganasany, saingy tsy ampy izany. Tolo-tanana iray ho an’ ireto tanora manan-talenta ireto no hataon’ny mpitantana ny Le Park Itaosy, amin’ny alalan’ny hetsika “Itaosy Kaomedy Klioba”.
Isaky ny sabosy voalohan’ ny volana ny hetsika. Hotontosaina ny sabotsy 1 jolay, araka izany, ny manaraka. Tanora mpanao hatsikana dimy mianadahy no homena sehatra amin’io: Mihora Andrianina, Aina Maharavo, Zina Rabedaoro, Deds Clodio ary Tsiresy Radilofera. “Ankoatra ny fanomezana sehatra ireo tanora, fanomezana endri-tseho tsy mahazatra amin’ny hatsikana eto amintsika koa ny tanjona”, hoy ny filazan’ny tomponandraikitry ny toerana.
Tsy mahazatra tokoa, ohatra, izany vehivavy mpanao hatsikana izany. Iray amin’ireo efa tsinjotsinjo fa hisongadina anefa i Mihora Andrianina na i Arohim. Mahafehy ny hatsikana na amin’ny teny frantsay na amin’ny teny malagasy kosa i Zina Rabedaoro. i Aina Maharavo, nampiakarin’ny fahaizana naka tahaka ny fitantaran’i Daniel Andriamaro ny lalao baolina kitra, sns.
Ny endri-tseho “stand-up” kokoa no hironan’ireto tanora mpanao hatsikana ireto. Mora raisina, maneho ny mampiavaka ny mpanakanto ary mampifandray azy akaiky kokoa amin’ny mpijery izany. Miainga amin’ny zava-misy iainana andavanandro ny hatsikana, ary ny lasitra ihany no tena homanina fa arakaraka ny fandraisan’ny mpijery ny fivoahan’ny aingam-panahin’ny mpanakanto. Eny, tena mpanakanto ny mpanao hatsikana na…mampiomehy aza.
Zo ny Aina