Nigadona omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Airbus 330neo, an’ny kaompania Corsair. Niverina izany telo taona aty aorian’ny nampiantoana azy.
Nigadona, omaly 28 jona tamin’ny 1 ora sy sasany, teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ny fiaramanidina Airbus 330neo an’ny kaompania Corsair, niainga avy any Paris. Nilaza ny filoha tale jeneraly (PDG) Pascal de Izaguirre, fa efa tamin’ny 2 novambra 1996 no niasa taty Madagasikara ny Corsair. Niato izany tamin’ny taona 2020, ary izao miverina izao indray.
Miisa 60 isan-kerinandro ny sidina eto Madagasikara. Nambaran’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, fa tanjona ny hahatongavan’ny mpandeha miisa 1 tapitrisa amin’ny taona 2028. Mandeha tsikelikely izany, ka miisa 200 000 ao anatin’ny taona iray, ohatra, mitombo ho 300 000 avy eo ary 1 tapitrisa afaka dimy taona. Mila ampitomboina avo telo heny ny isan’ny sidina, vao ho tratra io tanjona io, ka anisan’izany ity fiverenan’ny kaompania Corsair ity.
Tsara kalitao nefa mora
Miisa dimy ny fiaramanidin’ny Corsair. Indroa isan-kerinandro ny isan’ny sidina mankaty Madagasikara amin’ izao fiverenany izao. Hivoatra tsikelikely izany. Nomarihin’ny PDG Corsair fa mampiavaka ity kaompania ity ny saran-dalana tena mora sahaza ny daholobe, nefa tsara ny kalitaon’ny tolotra. Mampiasa fiaramanidina raitra (nivoaka 2021 sy 2022) miisa dimy, Airbus 330neo, izy ireo. Hiampy A330neo miisa efatra indray, hatramin’ny oktobra 2024.
Voahaja koa ny tontolo iainana, satria mihena 25% ny tahan’ny fiparitahan’ny entona karbona, ary mihena 30% ny tahan’ny feon’ny motera. Hisy ny saran-dalana manokana amin’izao fiverenana aty Madagasikara izao, ka ho 299 euros ny mankany La Réunion mandroso sy miverina, ary ho 699 euros ny mampitohy amin’i Paris-Orly mandroso sy miverina.
Njaka A.