Tantara an-tsehatra : any Antanifotsy indray ry Rakoto, Niravo, Faly…

Hitohy any Antanifotsy in­dray ny seho an-tsehatra iarahana amin’ireo mpilalao tan­tara amin’ny onjam-peo. Hi­seho vahoaka any an-toerana ny alahady 2 jolay izao, amin’ ny 1 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny kianja malalaka Mb Terezy i Niravo, Rakoto, Faly, Synèse ary Antsa Ra­vaka. Holalaovin’izy ireo an-tsehatra amin’izany ilay tantara nosoratan’i Niravo Randria, “Anjara voasedra ve?”. Hison­gadina amin’izany tantara izany ny fiainana andavanandron’ny fiarahamonina sy ny olan’ny tokantrano. Ny olana eo amin’ny mpivady sy ny mpifankatia ary ny adin-tsaranga, anaty tontolo samihafa. Ham­pitana ny anatra sy ny hafatra ho an’ny tanora sy ny ray aman-dreny izany seho an-tsehatra izany fa eo koa ny fampihomehezana sy ny fitaintainana ary koa ny alahelo. Hifanakaiky kokoa ny mpilalao sy ny mpan­kafy amin’io fotoana io, raha nohenoina tany anaty onjam-peo hatramin’izay. Hanelane­lana izany ny hira sy ny fanentanana samihafa. Handrindra ny lafiny teknika sy ny sehatra i Bruno Rakotomalala.
Tsiahivina fa efa avy nanao seho an-tsehatra teny Andra­noro sy Ambohimian­dra, Am­pangabe ireto mpilalao tantara amin’ny onjam-peo ireto ary izao hitodi-doha any Antani­fotsy izao indray.

Nanangona :
HaRy Razafindrakoto

Partager sur: