Taranja Teqball : nandrombaka ny medaly volafotsy

Tsy nitsanga-menatra ny ekipam-pirenena malagasy, Teqball, nandritra ny andiany faharoa amin’ny lalao afrikanina fanao amin’ny torapasika «Jeux africains de plage 2023». Fihaonana notanterahina tao Hammamet Tunisie, ny 24 ka hatramin’ny 26 jona lasa teo. Nandrombaka ny medaly vola­fotsy ny ekipa olon-droa miaraka lahy sy vavy, nisy an-dRako­tonirina Diarra Spencer Erickson sy i Fanirisoa Richia.
Resin’i Nigeria, nahitana an’i Funsho Funto sy Samson sy i Rashidat Bukola Salau, teo amin’ny famaranana, tamin’ny seta 2 no ho 0 (12/9 ; 12/10), ny Malagasy. Niady hatramin’ny farany ny fihaonana saingy fahadisoana teknika kely monja ny hany nandavo ny ekipam-pirenena malagasy.
Raha tsiahivina, ny lalana nodiavin’izy mianadahy tamin’ ity fihaonana ity. Nandresy an’i Tunisie, tamin’ny seta 2 no ho 1, teo amin’ny ampahefa-dalana avy eo nanilika an’i Algerie, 2 no ho 0, ho an’ny manasa-dalana. Na teo aza ity vokatra ity, hiatrika ny «Jeux mondiaux de plage 2023», hotanterahina any Bali, Indonesie, ry zareo Nizerianina ny volana aogositra, ho avy izao. Tsiahivina fa efa manana federasiona ity taranja hifangaroan’ny tenisy ambony latabatra sy ny baolina kitra ity.

Tompondaka

Partager sur: