Tatitra tamin’ireo mpamatsy vola: nahavita CSB miisa 104 ny fanjakana

Nitarika fivoriana niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’ antoka iraisam-pirenena ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Andry. Notanterahina teny Iavoloha, ny talata teo, nanaovany tatitra ny zava-bita. Nisy ny jery todika momba ny fiaraha-miasa. Ny fanatsarana sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireto mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena ireto.
Nambaran’ny Filoha fa na­nao ezaka ny governemanta tao anatin’ny efa-taona. “Na­tao hanamafisana ny fametrahana ny fanjakana manakaiky vahoaka izany. Porofo ireo fotodrafitrasa maro natsangana manerana ny Nosy”, hoy izy.
Notanisainy ny nahavitana efitrano fianarana maherin’ny 4 000. Ny oniversite miisa 15 sy CSB2 miisa 104. Ny hopitaly manara-penitra miisa 28. Efa am-perinasa tsy ho ela ny 13 amin’izy ireo. Ankoatra izay, ny fananganana lapan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy “Bases Opération­nel­les”, tafiditra amin’ny fametrahana fandriampahalemana.
Nanamafy ny fanohanana ireo tetikasa ho fampandrosana ny mpiara-miombon’antoka. “Vonona izahay hanohana ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana”, hoy izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: