Voahitsaky ny lamasinina: sady potika no tapaka ny tongotr’ilay lehilahy

Potipotika ny taolany! Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray voahitsaky ny fiarandalamby, tao Lohariandava Brickaville, tamin’ny alatsinainy maraina. Raha ny fahitana ny razana, tapaka ny tanany, ny niala ny tongony rehefa notetezin’ny kodiaram-bin’ny lamasinina. Nahazo loharanom-baovao ny lehiben’ny fokontany Loha­riandava momba ny fisian’ity lehilahy hita faty ity. Niantso ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Andeka­leka izy taorian’izay. Niara-nijery ny zava-misy tao an-toerana izy ireo.
Voamarina ny loza. Hita nivalampatra efa tsy misy aina, teo akaikin’ny lalamby ity lehilahy niharam-boina ity. Efa fantatra avokoa ny mombamomba azy nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary. Mipetraka ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Loharian­dava ihany izy. Taorian’ny fizahana nataon’ny dokotera niaraka tamin’ny zandary, natolotra ny fianakaviana ny razana.
Mitohy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Ny polisy misahana ny lalamby no mandray an-tanana ny famotorana. Aorian’izay kosa no hamantarana ny marina rehetra momba ilay tranga.

Jean Claude

Partager sur: