Lavon’ny balan’ny polisin’ny Uir, taorian’ny fifampitifirana, ny jiolahy roa tao Tanambao Toliara, afakomaly atoandro. Avy nanafika Cash point iray izy ireo no nifanehatra tamin’ny polisy. Naka vola tamina Cash point iray, ao amin’ny fokontany Morafeno, ny raim-pianakaviana iray. Teny an-dalana ho any Maninday izy no nifanehatra tamin’ny jiolahy nirongo basy. Voaroban’ireo jiolahy ny vola 4 tapitrisa Ar. Lasa nandositra tamin’ny moto avy hatrany ireo jiolahy rehefa avy nanao ny asa ratsiny. Naharay antso ny polisy taorian’izay momba ity fanafihana ity ka nidina haingana tao an-toerana. Voamarina tokoa ny fisiana jiolahy roa mitondra basy nanafika mpanao Cash point. Nanao fikarohana teny amin’ny manodidina ny polisy ka tratra tao Maninday ihany izy roa lahy. Nitifitra ireo jiolahy raha vantany vao nahatazana ny polisy. Nifamaliana teo ny tifitra, saingy tsy naharesy tosika ny polisy izy ireo. Vokany, maty voatifitra ireto jiolahy roa ireto. Tratra ihany koa ny basy roa vita Tanana, niaraka tamin’ny bala. Hita koa ilay moto nampiasain’ireto olon-dratsy ireto tamin’ity fanafihana ity. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy fa jiolahy efa mpamerin-keloka amina fanafihana mpanao Cash point ireto maty voatifitra ireto.
Jean Claude