CUA – «Ping pour tous» : mpianatra 26 nifanintsana teny Ivandry

Notanterahina teny Ivan­dry, omaly, ny famaranana ny taom-pianarana fampiofanana «Ping pour tous 2022», ho an’ireo mpianatra eny amin’ny sekoly fototra EPP. Nisy ny fifanintsanana «Tennis de table» teny an-toerana namaranana izany. Maherin’ny 20 mianadahy no mpifaninana. Mpianatra amin’ny kilasy fahavalo “8ème” izy ireo. Anisan’ ireo sekoly nandray anjara tamin’ity hetsika ity ny EPP Andrefanambohijanahary, Ambohipo, Vohibola, Soa­man­­dra­kizay, Ivandry ary Amba­tolampy Tsimahafotsy.
Iarahana amin’ny Kaomi­nina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny Groupe Filatex ny tetikasa. “Isaorana ny CUA izay nanohana ny tetikasa sy nanome ny efitranom-pianarana hanaovana ny fifaninanana. Ankasitrahana ihany koa ny Groupe Filatex tamin’ny famatsiam-bola nataon’izy ireo ho an’ireo mpianatra misitraka ny tetikasa”, hoy Rako­toarisoa Dorat, filohan’ny tetikasa “Ping pour tous”.
Tsara marihina fa tanjon’izy ireo ny hampiray ny mpianatra eny amin’ny EPP rehetra. Tsiahivina fa mitohy ny fampianarana “Ping pour tous” amin’izao fialan-tsasatry ny mpianatra izao.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: