Nialona ny zaodahiny izy roa lahy. Ny reniny no nanamparan’izy ireo ny hatezerany. Nodorana ny tranony. Notaperina ny ain’ilay renim-pianakaviana.
Namoy ny ainy vokatry ny habibiana nataon’ny zanany roa lahy ny renim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Mahavita, kaominina Vohitrandriana, distrikan’i Nosy Varika, ny alin’ny 26 jona teo. Nialona ny valilahiny izy mirahalahy. Vadin’ny faravavy, niara- mipetraka amin’ilay renim-pianakaviana ilay vinantolahiny. “Enina mianadahy no zanak’io ramatoa io ka miara-monina aminy ny zanany faravavy sy ny vinantolahiny”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao amin’ny Borigady Nosy Varika. Tsy tian’ireo anadahin-drazazavavy roa lahy ireo hatry ny ela anefa io valilahiny io. Lasa masi-mandidy amin’ny fitantanana ny fambolena ao an-tanàna izy. “Efa hatry ny ela no nangataka tamin’ny reniny hanesorana io valilahiny io ireo roa lahy ireo”, hoy ny zandary. Ny alin’ny 26 jona, nisotrosotro ireto zanak’ilay ramatoa ireto. Nodorany avy hatrany ny tranon-dreniny. Nitsoaka nandositra ilay renim-pianakaviana saingy maty noho ny daroka nataon’ireo roa lahy.
Maty novonoin’ny rahalahiny
Nahare io fahavoazan-dreniny io, nikaroka ireo zokiny mirahalahy niaraka tamin’ny fianakaviany ny zanak’ilay ramatoa faralahy. “Tezitra tamin’ireo zokiny, novonoin’io faralahy io ny iray tamin’ireo zokiny nahavanon-doza”, araka ny fanamifasan’ny zandary ao an-toerana. Maty tsy tra-drano ny iray. Avotry ny zandary teny am-pelatanan’ny fokonolona ny iray hafa. Nentina notsaboina ao amin’ny CSBII Vohitrandraina ity farany ary natao fanadihadiana.
Tsiferana Randriatiana