Hasarotam-piaro: lehilahy maty voatsindrona antsy

Voasambotra ny lehilahy iray nahavanon-doza ka nahafaty olona tao Ambohitrarahaba, ny 27 jona teo. Raim-pianakaviana 40 taona maty voatsindrona antsy nataon’io lehilahy voasambotra io. Noho ny hasarotam-piaro, nifamaly ireto roa lahy ireto. Nentin’ny hafanam-po, nampiasa antsy ny iray. Nolerany tamin’ny tendan’ilay raim-pianakaviana io antsy io. Naratra mafy, nentin’ny manodidina azy teny amin’ny hopitaly CHRD Anosiavaratra ilay lasibatra. Nirahana hividy fonon-tanana, tsy niverina ireo olona nanatitra azy tao amin’ny toeram-pitsaboana. Niantso mpitandro filaminana nampahafantatra io tranga io ny mpitsabo iray ao an-toerana. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny zandary. Sarona tao Andafiavaratra-Ankadikely Ilafy ny lehilahy iray nahavanon-doza.
Ankoatr’io, naratra mafy ireo tovolahy roa nendahin’ny jiolahy teny Andavamamba, omaly tamin’ny 3 ora sy 30 mn. Ny iray voatsatok’antsy teo amin’ny kibony raha teo amin’ny takibany kosa ny iray. Araka ny fanazavan’ireo niharam-boina, avy niandry faty tany amin’ny mpiara-miasa aminy ireto tovolahy ireto, afakomaly alina. Handeha hody any Antohoma­dinika izy ireo no nosakanan’ny jiolahy telo nitondra antsy lavalela. Lasa ny vola niaraka tamin’ny finday. Mbola noleran’izy ireo ny antsy ireo roa lahy taorian’izay. Nentin’ny tsara sitrapo namonjy hopitaly.

Tsiferana R.

Partager sur: