Nampahafantarina, omaly, ireo Malagasy mpandraharaha, hanatrika ny dingana famaranana, mandray anjara amin’ny loka “John Castel”, miara-miombon’antoka amin’ ny orinasa Star. Nisokatra tamin’ny 23 avrily ny fifaninanana ho an’ny orinasa ara-dalàna. Efa nisokatra herintaona farafahakeliny, tantanin’ ny Malagasy 18 hatramin’ny 45 taona. Miisa 40 tamin’ireo 167 nandrotsaka hifaninana no nahafeno ny fepetra. Nosafidiana indray ny enina, ary handray anjara amin’ny fifidianana any amin’ny dingana famaranana ny roa, amin’ny fiandohan’ny volana jolay izao. Hahazo fiofanana ara-pitantanana avy amin’ny Castel izy ireo, miampy lelavola 15 000 euros ny voalohany, ary 10 000 euros ny faharoa. Hahazo 5 000 euros kosa iretsy efatra ambiny, miampy fanofanana ihany koa.
Mianadahy ireo roa hanao famaranana. Manodina ny mangahazo ho lafarinina (tapioca) sy vovo-mangahazo mifangaro vovo-dronono (lacté) i Stéphane, mitantana ny orinasa Kassava By Noli, any Antsirabe. Mamadika ny voanjo ho lasa dibera totom-boanjo kosa i Volazara Annah, mitantana ny orinasa Tiava, any Toamasina. Ho an’ireo efatra ambiny, miompy akoho manatody lava ny orinasa Lova, any Imerintsiatosika, mamboly holatra «pleurole» ny My Cofarm, any Bevalala. Mamokatra ilomenaka ny fahadimy ary manodina vovo-kafe ny fahenina.
Njaka A.