Rano milamina, manafim-boay

 

Vita ny fety, efa miverina amin’ny laoniny ny fiainana andavanandro. Mitohy ny asa aman-draharaha. Mihodina manaraka izany koa ny raharaham-pirenena. Ny fitondrana, manohy ny fandaharanasany. Miketriketrika fifidianana. Midina ifotony mambabo ny fon’ny vahoaka. Mbola mandeha hatramin’ny fametrahana vatofototra. Na nilaza aza ny filohan’ny Repoblika fa mihantona izany. Voalazany fa mametraka marika amin’ny fisian’ny fanjakana rahateo izy. Amin’ny fotoam-piasana faharoa vao hiompana be dia be amin’ny sehatry ny fampandrosoana sy ny sosialin’ny Malagasy.
Etsy ankilany, mandeha ny fanozongozonana sy ny fanontsanana ny tsy mety ataon’ny mpitondra, indrindra ny filoha Rajoelina Andry. Sahin’ny mpanohitra sy ny Malagasy mpila ravinahitra any andafy ny mitory azy. Ampangain’ireto farany ho mpamadika tanindrazana, mpitsikilo, mpanao hosoka, ary ho manohintohina ny fiandrianam-panjakana ny filohan’ny Repoblika. Hatramin’izao, tsy hita izay iafarany. Samy mandrirodrirotra ny tiany itondrana azy ny andaniny sy ny ankilany. Resaka lalàmpanorenana sy lalàna no lalaovina amin’izany.
Tsy mahagaga raha samy manao izay danin’ny kibony ny vahoaka madinika. Ny lohany indray no matsatso. Ny mpitari-bato rehetra toa vilam-bava avokoa. Mahazo vahana ny endrika fandikan-dalàna eny anivon’ny fiarahamonina. Ny tsy manjary sy ny zava-dratsy no zary mety sy ankatoavin’ny besinimaro. Hatramin’ny mpangataka no sahy manery sy mandrahona ny mpanome. Ny mpanendaka sahy miseho masoandro. Miasa tsy amin-tahotra, mandroba izay azo robaina. Ny mpitandro filaminana efa mahasahy mamaly andraikitra raha misy aza ny hamehana. Mivadika tanteraka ilay tontolo iainan’ny Malagasy. Mampanahy ny zava-misy, indrindra mialoha ny fifidianana. Toa rano milamina manafim-boay !

r.r

Partager sur: