Nampahafantatra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa hisokatra tsy ho ela ny ivontoerana fikirakirana ny antso an-tariby (CRRA) hanampy amin’ny vonjy voina mahazo ny olona tampoka ivelan’ny hopitaly. Efa miofana ireo mpiasan’ny fahasalamana hiandraikitra izany mba ho tena fahombiazana sy hisy fiantraikany amin’ny fanavotana ain’olona ny fisian’izy ireo. Nanazava ny profesora Rakotoarison Nicole, talen’ny Dcamum fa maro ny tampoka mety hahazo ny olona eny amin’ny fiarahamonina. Zava-dehibe ny fisian’ny laharana manokana rehefa misy voina.
Fitsaboana sahady ho an’ ny olona mila vonjy maika ny fisian’io antso an-tariby manokana io. Mety ho any an-trano na eny an-dalambe na any am-piasana no marary tampoka na tra-doza ny olona ka afaka miantso avy hatrany ilay laharana. Mifandray avy hatrany amin’ny mpitsabo eo no ho eo ny marary na ny mpikarakara azy. Matetika sady mitaintaina, taitra ary tsy mahafantatra ny tokony hatao intsony rehefa sendra ny tampoka. Manampy amin’ny toromarika voalohany amin’ny vonjy aina ny dokotera amin’ny antso an-tariby.
Ireo infirmier na mpampivelona no mandray fanapahan-kevitra momba ny tomponandraikitra handray an-tanana ny marary, manoro ny hopitaly andefasana ny marary. Arakaraka ny toe-java-misy no handefasan’ny tomponandraikitra.
Tatiana A