Efa nandray anjara i Nampoina Daniel, Malagasy judoka jamba, tamin’ny “Tournoi international” natao tany Tokyo Japon, ny desambra 2022. Hifaninana amin’ny “World Games IBSA (International Blind Sports association) indray izy.
Fifaninanana hatao any Birmingham, ny 19 hatramin’ny 26 aogositra ho avy izao. Zava-dehibe amin’ i Nampoina ny fandraisany anjara amin’ity fifaninanana ity satria anisan’ny dingana hahazoany ny tapakila hiatrehany ny lalao paralympika, hatao any Paris, amin’ny taona 2024. Nambarany fa mikotrana sy manoman-tena mafy izy hiatrehany ity fifaninanana ity. “Mikotrana isan’andro aho, indraindray izaho irery na miaraka amin’ny Sensei Antsa. Mitohy eny amin’ny Judo Club La Porte Ambohidratrimo izany, rehefa zoma sy sabotsy, miaraka amin’ny Sensei Brandon”, hoy ny fitantaran’i Nampoina. Nanamafy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Judo Club La Porte, Sensei Holy, klioba misy an’i Nampoina amin’izao, fa nanosika azy ireo handray ity judoka jamba ity ny fahitan’izy ireo ny fahaizany sy ny fitiavany ny taranja judo. Manampy an’i Nampoina amin’ny fiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena toy izao ity klioba ity sy ny federasiona malagasin’ny Judo, miaraka amin’ny Sensei Ranjatoson Antsa, eo ihany koa ny asa tena ataon’i Nampoina.
Mbola mila 3500 $
Mbola tsy ampy anefa ny hoenti-manana na eo aza ny fanampiana efa natao. Eo amin’ny 6000 $ eo no ilaina ary 2500 $ hatramin’izao no efa eo am-pelatanana. Araka izany, mbola mila 3500 $. Izany indrindra no hanaovan’ ny FMJ, ny Judo Club La Porte ary i Nampoina, antso, amin’ireo malala-tanana afaka manohana azy. “Faniriako ny hitondra avo ny voninahi-pirenena ary tena efa manao ny ezaka rehetra aho”, hoy i Nampoina, izay maniry mafy ny hanao Jeux Paralympiques amin’ny taona 2024.
Mi.Raz