Zava-mahadomelina : miasa ny toeram-pitsaboana ny fiankinan-doha

Efa am-perinasa ny ivontoerana handraisana ny mpidoroka zava-mahadomelina, eny Itaosy. Nitokana ny foto-drafitrasa ny filohan’ny Repoblika mivady.

Notokanana, omaly, teny amin’ny kaominina Ambavahaditokana Itaosy, distrikan’Atsimon­dra­no ny ivontoerana fandraisana an-tanana ireo olona te hiala amin’ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina (sigara, paraky, rongony ma­hery vaika (rôrô). Ha­nampy manokana ny ady amin’ny fandraisana zava-mahadomelina sy ny sigara, indrindra ho an’ny tanora ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Mialy, izay ho reny mpiahy ny ady. 100 isam-bolana eo ho eo no azo raisina ao anatin’ny ivontoerana vaovao, ahazoana torohevitra, fitsaboana sy tohana ara-tsaina. Manana mpitsabo sy “psychiatre” ny fotodrafitrasa. “Noho ny fahatsapana fa lasa miparitaka eny anivon’ny fiarahamonina ny zava-mahadomelina no na­metrahana ny ivontoerana”, hoy ny minisitry ny Fahasa­lamam-bahoaka, profesora Randria­manantany Zely. Avy amin’ny hetra alaina amin’ny vokatra paraky no nananganana ny ivontoerana, efa ahitana ny fitaovana samihafa, araka ny fampiharana ny fifanarahana lasitra momba ny ady amin’ny fifohana sigara (CCLAT).
Loza mitatao

“Dimy andro ka hatramin’ny 10 andro ny faharetan’ny fandraisana an-tanana ary miara-miasa amin’ny hopitaly misy eo an-toerana ny tomponandraikitra”, hoy ny talen’ny Ofisim-pirenena miady amin’ny fifohana sigara (Ofnalat), dokotera Ravelojoeliandriam­beloaritafika Aurélien.
Araka ny fanadihadiana MICS 2018, voalaza fa 38,7% amin’ny lehilahy ary 14,8% amin’ny vehivavy no mandray vokatra iray avy amin’ny paraky. Voakasika koa ny tanora satria 11% amin’ny mpianatra 13-15 taona, mifoka sigara avokoa. Loza mitatao ho an’ ny tanora ny sigara sy ny zava-mahadomelina mahery vaika (rôrô) ka mila fandraisana andraikitra, hoy ny filohan’ny Repoblika.

Vonjy A.

Partager sur: