Andavadoaka : Faritra arovana an-dranomasina voalohany eto Madagasikara

Teo aloha, vokatry ny fihenan’ny hazandranoma­sina, mandeha miandriaka indroa na intelo isan’ andro ny mpanjono madinika. Nisy fiantraikany tamin’ny rohivoahary an-dranomasina izany ka simba ny vatohara sy ny ahidrano.

Nanomboka niasa ao amin’ny tanànan’Andavadoaka, kaominina Befandefa, distrikan’i Morombe, faritra Atsimo Andrefana, ny ONG britanika Blue Ventures (BV), ny taona 2003 rehefa nahatsapa ny mpitantana ny tanàna fa nihena ny vokatry ny hazandranomasina (indrindra ny horita (poulpe), ka ilaina ny fandaminana amin’ny fampiasana ny ranomasina, hoy ny tomponandraikitra ny ONG ao an-toerana, Ramialison Jean (Meg). Napetraka ny fari-dranomasina arovana miaraka amin’ny fikambanana Velondriake, ahitana mpanjono 2 500, anatin’ny tanàna 23. Iray amin’ireo fikambanana efatra miara-miasa amin’ny Blue Ventures anatin’ny faritra Atsimo Andrefana ny Velondriake ankoatra ny Teariake, Manjaboake ary Sambele (fikambanana najoro farany). 9 200 ireo mpahazo tombontsoa mivantana momba ny faritra aro­vana ao amin’ny faritanin’i Toliara ka ao Andavadoaka ny 1200 amin’ireo ary Vezo ny ankamaroany. Mahatratra 63 985 ha ny faritra arovana an­-dranoma-sina tantanin’ny Velondriake, 3 449 ha ny vatohara ary 1 779 ha ny velaran’ny ahidrano. Lamina entina mitantana ny morontsiraka sy any andranomasina voalohany teto Madagasikara
Tsy azo alaina mandritra ny fito volana

Naroso ny lamina fa tsy azo alaina ny horita amin’ny faritra arovana ao anatin’ny fito volana, mandritra ny taona iray, mba hitombo ny lanjany ary hiverina amin’ny laoniny ny oriano na ahidrano (herbier) izay fonenan’ireo zava-mananaina voaja­nahary any an-dranomasina. Misy faritra tsy azo anjonoana mihitsy hiarovana ny rohivoahary an-dranomasina ao aminy. Misy dina mifehy ny faritra arovana ary manara-maso ny fokonolona.
Nomena fiofanana momba ny biolojia an-dranomasina ireo mpikambana, mamolavola antontan-kevitra miaraka amin’ny mpanjono koa ny ONG ary zaraina amin’ny vahoaka ho tombontsoa iraisana. Mpanangom-bokatra avy any Toliara no maka ny hazandranomasina any amin’ny mpanjono mpi­kambana ao amin’ny Velondriake. 4 000 Ar ka hatramin’ny 7 000 Ar no handraisany ny trondro iray kilao, arakaraka ny karazany.
35 ny teknisianina avy amin’ny ONG misahana ny tanàn’Andavadoaka mampiroborobo ny mpanjono sy nyranomasina.

Partager sur: