Antenimierampirenena : tsy voaongana ireo depiote telo ao amin’ny birao maharitra

Nitsefotra ! Tsy tratra ny fetrisa,101, tamin’ny latsa-bato tokony hanonganana ireo mpikambana sasany eo ani­von’ny birao maharitra eo anivon’ny Antenimiera. Voatana amin’ny sezany izany ny filoha lefitra, ho an’ny faritanin’i To­liara, Rabenirina Jean Jacques sy ny an’ny faritanin’i Fiana­rantsoa, Razafintsiandraofa Brunelle. Mbola eo amin’ny toerany koa ny kestora III, Rabeniriana Mamy. Samy tsy nahatratra ny fetrisa fanonganana avokoa ireo nandatsa-bato : 88 sy 78 ary 76 izany ho azy telo mirahalahy ireo raha tokony hahatratra ny fetrisa 101 izany, tamin’ny latsa-bato natao, halina.
Voaongana amin’ny toerany kosa anefa ny filohan’ny vaomieran’ny harena an-kibon’ ny tany, ny depiote Mohamad Ahmad. Tsy ilana fetrisa izany ka depiote miisa 128 ny nandany ny fanonganana, mia­raka amin’ny fanomezana alalana “Procuration”, amin’ny tsy maha eto an-toerana ireo depiote sasany.
Efa tamin’ny 8 ora alina vao nanomboka ny latsa-bato fanonganana. Miisa 90 ireo depiote niatrika izany, ankoatra ireo nanome alalana. Nia­lohavan’ny fandresen-dahatra fiarovana ireo haongana izany ka anisan’ny niaro ny filoha lefitra, Rabeniriana Jean Jacques sy Razafintsian­draofa Brunelle ny depiote isany, i Johasy Eleonore sy i Voninahitsy raha nisolovava niaro ny kestora III, Rabeni­rina Mamy kosa ny depiote Tim, Ralambozafimbololona Fetra. Ho azy ireo, tsy mitombina sy tsy misy porofo ny fa­nonganana.

Synèse R.

Partager sur: