Raha hivoaka ho lalàna, tsy mbola ato ho ato. Nitondra fanitsiana maromaro ilay volavolan-dalàna nataon’ny solombavambahoaka Rossy, ireo loholona, omaly.
Tolo-dalàna laharana faha 002-2022/PL, tamin’ny 01 jona 2022, mahakasika ny fanavaozana ny lalàna laharana faha-94-036, mahakasika ny « propriété littéraire et artistique ». Natolotry ny solombavambahoaka sady mpanakanto Rahasimanana Paul Bert, mba holanina izy io. Taorian’ny fandalovany teny amin’ny Antenimierampirenena, nandalo nodinihina teny amin’ny Antenimierandoholona indray izany, omaly. Nolanian’ ireo loholona, nasiam-panitsiana, ity volavolan-dalàna ity. Nafana ny adihevitra teny amin’ny Lapan’Anosy, nialohan’ny fandaniana.
Ny fangatahana ny fizakan-tena amin’ny fitantanana ny zon’ny mpamorona, mba tsy ho ambany fiahian’ny minisitera intsony no tena anton’ity volavolan-dalàna avy amin’ny depiote Rossy ity. Rafitra mahaleo tena, na “Autorité Administrative Indépendante” no soso-kevitra narosony. Manampy izany ny fahatsapana fa efa misy nilaozan’ny toetrandro ireo teboka sasantsasany, noho ny fivoaran’ny teknolojia.
Satria nisy ny fanovana nentin’ireo loholona, hiditra amin’ilay antsoina hoe « navette parlementaire » ity lalàna ity. Haverina eny amin’ny Antenimierampirenena indray, handinihan’ireo solombavambahoaka ireo fanitsiana natao. Raha lany avy eny dia miverina eny amin’ny Antenimierandoholona indray. Raha tsy misy fanovana intsony, dia alefa any amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Anjaran’izy ireo ny mijery hoe mifanaraka sa tsia amin’ny Lalàmpanorenana izany. Rehefa mahazo fankatoavana ao vao alefa hosoniavin’ny filohan’ny Repoblika, havoaka ho lalàna izany. Amin’ny volana oktobra anefa vao misy ny fivorian’ny parlemantera manaraka…
“Tsy olana aminay minisitera mihitsy ny fisintahan’ny fanjakana amin’ny fitantanana ny zon’ny mpamorona. Tsy manana olana amin’ny depiote Rossy sy ireo mpanakanto momba izay mihitsy aho, fa resaka adihevitra lalàna no natao teto. Tsy misy tombontsoako na mijanona na tsia eo amin’ny minisitera ny OMDA, satria tsy misy mankaty amin’ny minisitera rahateo ny vola miditra ao. Ny vola azo avy amin’ny zon’ny mpamorona dia miverina amin’ireo mpamorona ihany. Ny fanjakana aza mbola mandoa “subvention de fonctionnement” hanodinana ny OMDA. Omeko toky ny mpanakanto : tsy manana olana amin’izy ireo mihitsy ny minisitera. Fa mandra-pivoakan’ny lalàna vaovao aloha, dia mbola rafitra iray eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ny OMDA”, hoy kosa ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana, omaly.
Zo ny Aina