Ho fampihenana ny tsindry ataon’ny mpanjono madinika amin’ny rohivoahary an-dranomasina, nofanina amin’ny fiompiana zanga (dingadingana) « concombre de mer » ny mpanjono anatin’ny tetikasa Nosy manga, miaraka amin’ny Indian Ocean Trepang (IOT). Ny orinasa no manome ny zanaka zanga ho an’ny mpanjono ary ireto farany no miompy azy anatin’ny ranomasina sy mivarotra indray ny zanga amin’ny IOT rehefa tratra ny lanja tadiavina. Manao fifanarahana manokana ny mpanjono mpiompy sy ny orinasa ka tsy afaka mivarotra ny zanga amin’ny orinasa hafa izy ireo. 2 500 Ar ny vidin’ny zanga iray. 500 000 Ar isam-bolana ny vola miditra isan-tokantrano amin’ny fiompiana zanga. Efatr’andro isam-bolana no miasa izy ireo amin’ny fanadiovana ny toerana hiompiana ny zanga sy manala ny fako. Ho an’ny tanàna iray, 500 000 tapitrisa Ar ny vola miditra amin’ny mpiompy manana toeram-piompiana amin’ny velarana 3 ha. Amin’ny faritra arovana an-dranomasina manana velarana 63 985 ha ao Andavadoaka, 15 ha ny natokana hiompiana zanga miaraka amin’ny fikambanana Velondriake.
Ho an’ny tanàn’Antsantsa-moroy, fokontany Belavemoka, kaominina Befandefa, 10ha ny velaran-dranomasina hiompiana zanga, karakarain’ny mpiompy 40, nanomboka ny taona 2018, hoy ny tomponandraikitry ny fiompiana zanga ao amin’ny Blue ventures, Donat Angelo Gilbert . 3 500 ny zanaka zanga ompiana ao ary mivarotra ny vokatra isam-bolana izy ireo. Iarahana avokoa ny asa manomboka amin’ ny fanadiovana ny fefy hatramin’ny fiambenana ireo olon-dratsy mangalatra ny zanga. Manana lakana roa sy jirobe mipetraka amin’ny trano manokana avobe izy ireo hanaraha-maso ny fiompiana. 9 ka hatramin’ny 12 volana ny faharetan’ ny fiompiana zanaka zanga dia tratra ny lanja ilaina. Manara-maso ny fiompiana koa ny komity mpanara-maso ny jono (CSP) ao amin’ny minisiteran’ ny Jono sy ny toekarena manga. 20 000 Ar ny onitra alaina ho an’ny zanga iray nangalarina voafaritry ny dina.
Nanatontosa : Vonjy Andrianjaka