Nifarana, omaly, ny fivorian’ireo manamboninahitra ambony eo anivon’ny Tafika, natao teny Soanierana. Nisy ny antso avo nataon’ny Praiminisitra, Ntsay Christian, tamin’izy ireo.
Nambarany tamin’izany fa miaina anaty tontolo fanomanana ny fifidianana isika amin’izao fotoana izao. Efa hita taratra sahady ny fihetsiketsehan’ireo mpanao politika, ka nankahery ireo tomponandraikitry ny filaminana rehetra ny lehiben’ny governemanta. “Betsaka ireo fanembantsembanana sy teti-dratsy hamakivakina ny Tafika ka aoka hijoro anaty firaisan-tsaina sy fiaraha-miasa ho an’ny hasin’ny tanindrazana isika”, hoy ny praiminisitra. Notsindriny tamin’ny lahateniny koa fa maro ny fanamby atrehin’izy ireo. Anisan’izany sady laharam-pahamehana ny fiantohana ny filaminana sy ny fandriampahalemana, ahafahana mampiaina ny sehatra rehetra. Mba hihary anaty fitoniana ny vahoaka, araka ny nambarany hatrany.
“Betsaka ny manohintohina ny filaminam-bahoaka ankehitriny ka ilàna fiombonana sy fametrahana rafitra tokony hifanaraka amin’izany izao, hiadiana amin’ny asa ratsy rehetra”, hoy ihany izy.
Niantso fahamailoana
Efa nanafatrafatra tahaka izany koa ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, tamin’ny fanombohana ny fivoriana, afakomaly. Nambarany fa hiatrika fifidianana isika ary miha mafana ny toe-draharaham-pirenena. “Mitaky fandraisana andraikitra lehibe isan’ambaratongany izany ka aoka tsy hiraviravy tanana”, hoy izy. Niantso fahamailoana koa ny tenany manoloana ny fitarihana hiankavia na hiankavanana. Samia mitandrina ary mahaiza mandray fanapahan-kevitra amin’ny fotoana rehetra, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa afaka enim-bolana indray ny fivoriamben’ ny manamboninahitra, tahaka izao, anaovana tombana amin’ny ezaka vita.
Synèse R.