« Concert d’orgue » : omena lanja i Noël Rakotoarivony

« Tsy mbola nisy », « Natolotrao ho avotray », « Falifaly »… Hanakoako mandritra ny « Concert d’orgue » hotanterahina ny 9 jolay izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, eny amin’ny FJKM Ambaniala Malala, ny sanganasan’i Noël Rakotoarivony. Ny antoko mpihira Zanak’i Ziona no hihira izany eny an-toerana. Seho karakarain’ny Sampana tanora kristianina sy ny Fikambanan’ny mpitendry sy mpankafy « orgue ». Ankoatra ny antoko mpihira Zanak’i Ziona, hihira mandritra ity « Concert d’orgue » ity ihany koa i Rija Ramanantoanina, Elsie, Lalou, Dassi… Ireo andrarezina amin’ny fitendrena zavamaneno no hanaraka azy ireo amin’izany. Anisan’ireny i Nali Rabarison, Fy ny Aina Rajaofetra, Rindra Eric Rakotosaonina, Miravo Famantanantsoa Ramarolahy, Tahiana Raveloson, Sonn Clavier. Manome lanja ny fampahafantarana ny zavamaneno « orgue » sy ireo hira arahina aminy ny Fikambanan’ny mpitendry sy mpankafy « orgue ». Maro ireo kaonseritra na fampisehoana an-tsehatra efa notontosain’izy ireo tany amina toerana na fiangonana samihafa. Manatanteraka fifanakalozana eo amin’ny samy mpitia sy mpitendry « orgue » ihany koa ry zareo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: