Copefrito : Mamelona mpanjono 10 000

Fampiroboroboana ny asa fiveloman’ny mpanjono, nataon’ny orinasa « Compagnie de pêche frigorifique de Toliara” (Copefrito) no niteraka ny fiompiana zanga sy fambolena lomotra, nanampiana ny vola miditra amin’ny mpanjono. « 25 taona niasana teto Madagasikara ny orinasa
amin’ny fanondranana hazandranomasina, indrindra ny
horita sy ny drakaka », hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fitrandrahana, Antoine Leveau. 200 ny tanàna voakasika ary 50 ny mpanjono isaky ny tanàna no miara-miasa maka ny hazandranomasina isan’andro izay raisin’ny mpanangona eny ifotony avy amin’ny orinasa. Manodidina ny 10 000 eo ho eo ny isan’ny mpanjono ka 6 miliara Ar isan-taona ny vola ampiasaina hividianana ny trondro satria
isan’andro ny fandoavana ny vidin-trondro eny amin’ny mpanjono. Manomboka ao amin’ny morontsiraka Androka ka hatrany Maintirano, manana halavana 740 km no iasan’ ny mpanjono. Omena fitaovana ilainy amin’ny asany ireo mpanjono mahazo vokatra betsaka ho fandrisihana azy. Ny taona 2022, nahatratra 1095t ny lanjan’ny hazandrano­masina naondran’ny orinasa tany ivelany. Amidy amin’ny toeram-pisakafoana eto amintsika ny 40% amin’ny trondro voaangona. Isan-taona, manondrana drakaka 400t, horita 370 t, calmar 70t, trondro 100t ary langouste 10t ny orinasa.
Mampiasa kamiao 18 sy sambo 10 ny orinasa, manangona sy mitatitra ny trondro. Alefa any Maorisy, Eoropa… ny vokatra ka ny drakaka avy amin’ny ala honko no tena be mpanjifa indrindra. Mpiasa 600 no mampihodina ny orinasa manomboka amin’ny fikarakarana ny vokatra hatramin’ny famonosana.

Partager sur: