FANTINA sy FINTINA

 Nametraka fitoriana teny amin’ny fampanoa-vana, Antananarivo, afakomaly, ny mpisolovava ny fikambanana ADDN, tarihin’i Ernaivo Fanirisoa, ny Me Rafidison Jean-Eric. Anton’izany ny fanaovana hosoka sy fisandohana. Efa tsy mizaka ny zom-pirenena malagasy ny filohan’ny Repoblika. Nefa mbola afa-nirotsa-kofidiana izy tamin’ny 2018.
 Hanohana ny Ceni amin’ny fanatanterahana fifidianana ny Pnud. Nampahafantarina tamin’ny komity fitantanana ny tahirim-bola enti-manana ny fifidianana, teny amin’ny Ceni, Alarobia, afakomaly, ny tetikasa ilan’ny Ceni fanampiana: fanamafisana ny fifanakalozan-kevitra hampanjakana ny demokrasia sy fanabeazana olompirenena.
 Ny minisitry ny Mponina teo aloha, i Zafilaza, tamin’ireo kandidà telo, no voafidy teny Tsimbazaza, omaly, ho solontenan’ny Antenimierampirenena eo anivon’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED). Nahazo vato 56 amin’ireo depiote 82 tonga nifidy izy.
 Tsy tanteraka omaly, fa ahemotra amin’ny fotoam-pivoriana manaraka, noho ny tsy fahatrarana ny fetr’isa takin’ny lalàna ny fandaniana ny tolo-pehin-kevitra fiampangana eny amin’ny Haute Cour de Justice (HCJ). Tokony hihoatra ny 76 ireo depiote miatrika ny fivoriana vao azo hirosoana izany.
Partager sur: