Fokontany fito manana tanàna 23 no mivondrona ao anatin’ny fikambanana Velondriake, niforona ny taona 2003, hiaro ny fari-dranomasina, hampitombo ny vokatra samihafa. Nanangana kaoperativa ny mpanjono 2 500 izay miara-miasa amin’ ny ONG Blue ventures. Ny vehivavy no misahana ny fitantanana ny fari-dranomasina misy ny horita arovana fa ny lehilahy manjono, hoy ny filohan’ny fikambanana Velondriake, Samba Roger. Voafehin’ny dina ny faritra arovana ary mpikambana mpanara-maso (COS) ny solontenam-panjakana ao an-toerana, ny ben’ny Tanàna, ny “chef de cantonnement”, ny lehiben’ny Distrika. Nahazo fankatoavana avy amin’ny fitsarana ny dina, hampanankery azy nanomboka ny taona 2006 ary misy ny tatitra atao any amin’ ny fanjakana momba ny zava-misy isaky ny kaominina.
Tsy azo trandrahana mihitsy ny “réserve dure” mahatratra fito ary sora-bola 100 000 Ar ny sazy voafaritry ny dina raha misy tratra tsy manaja ny lamina napetraka. Rehefa tsy kitihina ny faritra arovana, tonga avokoa ny karazana hazandrano maro manodidina eo amin’ny toerana azo hanjonoana.