Fonjan’Antanimora : misy migadra hatramin’ny 20 taona ireo ankizy

Namono olona ny sasany amin’ny ankizy migadra eny Antanimora. 20 taona ny sazy be indrindra amin’izy ireo. Toeram-panarenana satria misy fiofanana sy fampianarana ao an-toerana.

Nandritra ny fitsidihana natao teny amin’ny fon­ja an’Antanimora, tao amin’ny toerana natokana ho an’ny ankizy tsy ampy taona, omaly no nahafantarana fa misy 122 ireo zazalahy mifonja ao. 90 mahery amin’izy ireo no tsy mbola voatsara na dia efa nisazy fotoana ela aza. Misy ny misazy hatramin’ny 20 taona noho ny heloka vitany. Nahafaty olona mihitsy ny sasany amin’izy ireo.
Amin’ny ankapobeny, ha­latra sy fivadiham-pitokisana ny ankamaroan’ny heloka hiampangana azy ireo. Ao koa ireo nanolana sy ninia nandratra olona, araka ny fanazavana nentin’ny tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja, Ralison Arsène.
Manana tombony manokana amin’ny famelan-tsazy anefa ireo ankizy ireo, noho ny fijerena ny zon’ny ankizy.
13 taona ny zandriny in­drindra amin’ireo ankizy voafonja ary 17 taona ny zokiny. Mitoby amin’ny toerana iray ny ankizilahy. Mangahazo maina no sakafo maraina. Ian­to­han’ ny fikambanana Grandir Dig­nement ny sakafo indray mandeha isan’andro. Ny hariva kosa no mihinana ny sakafo vatsian’ny fianakaviana.

Mianatra sy miofana
Misy ny fiofanana momba ny fanaovana mofomamy, sary hosodoka, fanamboarana fiara…ao amin’ny kartien’ny zaza tsy ampy taona. Misy koa ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ary ny kilasy rehetra.
7 000 ireo ankizy voafonja afaka nianatra tao anatin’ny fotoana nisian’ny sekoly tao an-toerana. 2027 nahay ma­maky teny sy manoratra, 1700 afaka CEPE, 1060 afaka BEPC ary 90 afaka bakalorea.
773 ireo ankizy efa tafavoaka soa aman-tsara sy na­havita sazy no efa mahaleo tena ara-pivelomana, lasa do­kotera, mpikabary, mpampianatra, mpandihy matihanina…

Tatiana A

Partager sur: