Haitao ara-kajy mirindra : nanomboka omaly ny Zah@geek 2.0

Mampivondrona mpise­hatra maro ao anatin’ny tontolon’ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra ny hetsika Zah@geek 2.0 andiany faharoa, ataon’ny orange digital center Madagascar. Nanom­boka omaly ka haharitra roa andro, ity hetsika atao etsy amin’ny gara Soarano ity. Tanjona ny hampanana asa ireo tanora misehatra ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra. Araka izany, misy ny fanentanana maro samihafa hanamarihana ny hetsika, toy ny job dating sy ny speed recruiting. “Natao ho an’ny tanora amin’ny sehatry ny asa ity hetsika ity. Maro ny tombontsoa hita tamin’ny andiany voalohany ka nahatonga ity andiany faharoa ity. Fanoha­nana ataon’ny fanjakana ny manampy sy manosika ny he­tsika ataon’ireo sehatra tsy miankina amin’ny fitadiavana asa ho an’ny tanora”, hoy ny minisitry ny Fampiroboro­boana sy fanovana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Razafindramalo Tahina, nandritra ny fanokafana ny hetsika. Fantatra fa manodidina ny 30 eo ny orinasa hanao tolotr’ asa.

Henintsoa Hani

Partager sur: