Ifaty: faritra misy vatohara telo arovana

Niorina ny taona 2007 ny Fikambanana miaro hanasoa ny ranomasina (Fimihara), ao amin’ny fokontany Ifaty. 806 ireo mpanjono mpikambana anatin’ny kaominina roa (Bela­landa sy Manombo) mipari­taka anatin’ny fokontany 13. Nahatsapa ireo mpanjono fa rehefa simba ny vatohara, lasa nandositra any amin’ny fari-dranomasina lalina ny hazandrano ka sahirana izy ireo, hoy ny mpanolotsaina ao amin’ny fikambanana sady filoha teo aloha, Bruno Sou­venir Keza. “Olana ny fahamaroan’ny olona miandriaka satria nisy mpihavy tsy mahafehy ny ranomasina tonga
eo an-tanàna hitady fivelo­mana”, araka ny fanazavany ihany.
Telo ny faritra misy vato­hara tsy azo kitihina eo am­bany fanaraha-mason’ny fi­kambanana ary misy mpanjono miaraka amin’ny lakana mivezivezy mijery ny tsy mpanara-dalàna. Entina eny amin’ ny olobe eny am-boalohany ary mandoa dina izay mbola manjono amin’ny faritra misy hara. Misy dingana ny famaizana fa tonga hatreny amin’ny fitsarana rehefa misy mamerin-keloka. 80 000 Ar ny onitra alaina amin’ireo mpanjono mampiasa harato madinika
fa azo ampiasaina ny toerana tsy arovana. Vokatry ny fiarovana ny hara, nihamaro ny hazandrano ivelan’ny faritra tsy arovana ka saro-piaro ny foko­nolona. Mifandimby izy ireo manara-maso sady hen­titra amin’ny fampiharana ny dina.

Partager sur: