Kitra – Fifanintsanana «Mondial 2026» : Ao amin’ny satroka fahatelo ny Barea de Madagascar

Fantatra avokoa ny satroka misy ireo firenena afrikanina 27 eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny «Mondial 2026». Ao amin’ny satroka fahatelo no misy ny Barean’i Madagasikara.

Navoakan’ny Kaonfe­de­rasiona afrikaninan’ny baolina kitra (CAF), tao amin’ny tranokalam-pifandraisany omaly zoma, ny satroka misy ireo firenena afrikana miisa 54, hiatrika ny fifanintsanana ho an’ny «Mondial 2026». Anisan’ireo mifaninana amin’izany ny Barea de Madagascar, izay hita ao amin’ny satroka fahatelo.
Hatao any Cotonou Benin, ny 12 jolay ho avy izao, mandritra ny fivoriamben’ny Fede­rasiona iraisam-pirenena (FIFA), ny antsapaka hahalalana izay iray vondrona. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina eo anelanelan’ny 13 -21 novambra 2023, ny andro roa voalohany amin’ny fifanintsanana.
Tsiahivina fa mizara vondrona 9 ka misy firenena 6 avy aorian’ny antsapaka. Tafita amin’ny « Mondial 2026 », ireo firenena 9 voalohany isam-bondrona. Manao lalao sakana ireo ekipa 4 laharana faharoa tsara indrindra, hiadiana ny toerana iray hiatrehana ny dingana famaranana.

Tompondaka

Satroka 1 : Maroc, Senegal, Tunisie, Egypte, Algerie, Cote d’ivoire, Nigeria, Cameroun, Mali
Satroka 2 : Burkina Faso, Ghana, Afrika Atsimo, Cap-Vert, RD Congo, Guinée, Zambie, Gabon, Guinée Equatoriale
Satroka 3 : Ouganda, Benin, Mauritanie, Kenya, Congo, Madagascar, Guinée Bisau, Namibie, Angola
Satroka 4 : Mozambique, Gambie, Sierra-Leone, Togo, Tanzanie, Zimbabwe, Centrafrique, Malawi, Lybie
Satroka 5 : Niger, Comores, Soudan, Rwanda, Burundi, Ethiopie, Eswatini, Botsowana, Lyberia
Satroka 6 : Lesotho, Soudan Atsimo, Maurice, Tchad, Sao-Tomé, Djibouti, Seychelles, Somalie, Erythrée

Partager sur: