Tokony hampianarina hitia ny tontolo an-dranomasina ny ankizy raha vao eny amin’nyambaratonga voalohany.
Mpianatra mpikaroka manomana doctorat, Randrianandrasana José, izay « océanographe » sady « biologiste marin » ary miara-miasa amin’ny ONG Reef doctor sy ny Ivontoerana manofana sy mikaroka momba ny tontolo an-dranomasina sy ny jono (IHSM) ao Toliara. Misehatra anatin’ny tetikasa Artificial reef monitoring structure (ARMS) Restore, miaraka amin’ny oniversite-n’i Harvard ao amin’ny helodrano Ranobe, ao amin’ny fokontany Ifaty, kaominina Belalanda izy. Sahanasa iray amin’ireo efatra iandraiketan’ny ONG ny famerenana amin’ny laoniny ny valanjavaboahary amin’ny haran-dranomasina. Apetraka amin’ny toerana salama ny “plaque calcaire” mandritra ny 12 volana ary afindra amin’ny faritra simba aorian’izay
fe-potoana izay. Rehefa vita ny fanamboarana, mijery ny vokatra ny mpanjono ka tokony ho tonga manodidina eo avokoa ny karazana hazandrano maro. Iray santimetatra isan-taona ny fitombon’ ny vatohara ary tsy azo arenina intsony ny fahavoazana raha lasa lavitra. Lafo ny fanarenana ny vatohara an-dranomasina, 50 l ny solika ilaina hampihodinana ny sambo misy motera indray mandeha, ankoatra ny fitaovana samihafa entina manamboatra. Kely ny vola atokan’ny fanjakana ho an’ny fanarenana sy ny fikarohana nefa iankinan’ny fiveloman’ny mpanjono an’ arivony .
Mitondra tombontsoa maro ny fisian’ny vatohara, tsy manonja loatra ny ranomasina satria misy fefy voajanahary. Fonenan’ny hazandrano hatramin’ny 6 000 karazana. 6 ha ny velarana amboarina anatin’ny tetikasa, hoy ny nambarany. Tsy mbola nametrahana faritra arovana an-dranomasina ao amin’ny helidranon’i Ranobe.