Niady ny lalao fiadian-toerana (9-16) ny fiadiana ny amboara eran-tany taranja basikety U19, nifanandrinan’i Korea Atsimo sy i Madagasikara, tao Debrecen Hongrie. Nanohitra mafy ny ekipa malagasy saingy resy tamin’ny isa tsy dia nifanalavitra 72 no ho 60. Nifandanja tsara ny lalao, nandritra ny ampaham-potoana voalohany sy faharoa. Nanoloana ny hafainganan’ny fanafihan-dry zareo Koreanina sy ny fisesin’ny isa telon’izy ireo, nanohitra sy nampiseho ny tanjany ihany koa ry M’Madi sy Donovan, ka tsy nifankaiza ny elanelan’isa. Nisy fotoana aza nihoaran’ny ekipa malagasy lavitra i Korea Atsimo. Isa 2 monja (35-33) no tsy nahatraran’ny Ankoay ny ekipan-dry Moon sy ry Lee Y J, teo am-piafaran’ny ampaham-potoana faharoa. Nihanahazo hery ny Koreanina teo amin’ny ampaham-potoana fahatelo, tetsy ankilany, niato kely ny fampidiram-baolina ho an’ny Malagasy. Tsy voasakana ihany koa ry Moon sy ny isa telo, ka vetivety dia niakatra ny isa ho an’izy ireo. Niezaka nanenjika ny Ankoay saingy tsy tratra intsony ny isa. 72 no ho 60 no nisarahan’ny roa tonta. Mbola manana lalao fiadian-toerana iray farany ny Ankoay amin’ity “World Cup U19” atao any Hongrie ity.
Mi.Raz