Rotiky ny balan’ny polisy ny jiolahy roa nandritra ny fifanjevoana tetsy Andranovaky Ampasika, ny alin’ny zoma 30 jona teo. Naharay loharanom-baovao ny polisy fa mifampitaona eny amin’ny toerana iray amin’io fokontany io ireo olon-dratsy, hanafika tsenam-barotra iray ao 67 ha. Nidina ifotony, nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy tokoa ny polisy. Nanao fihetsika hafahafa anefa ireo jiolahy. Namoaka avy hatrany ny fitaovam-piadiana teny aminy ireto farany. Nitifitra ny polisy nanao ny fidinana ifotony ireo jiolahy. Namaly izany ny mpitandro filaminana. Vokany, voatifitra ny roa tamin’ireo nikasa hanafika. Nirifatra nandositra ireo namany. Tsy namelan’ny polisy raha tsy voasambotra ny jiolahy iray hafa niaraka tamin’ireo roa lavo. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy atao famotorana io azo sambo-belona io. Mitohy ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba amin’ireto jiolahy ireto. Marihina fa vao ny volana avrily teo no maty voatifitry ny SAG teo Ankazomanga ny jiolahy nitondra antsy lava. Efa nokarohina hatry ny ela io jiolahy io. Malaza ratsy amin’ny fanendahana teny amin’ny manodidina ity farany.
Tsiferana R.