Nifarana, omaly, tany Debrecen Hongrie, ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety, ho an’ny sokajy latsaky ny 19 taona. Laharana faha-14 no misy ny Ankoay.
Tafapetraka eo amin’ny laharana faha-14, ny ekipa malagasy, niatrika ny “World Cup U19”, taranja basikety. Tsy nahomby ny lalao fiadian-toerana nifandonan’izy ireo tamin’ny ekipan’i Egypta, omaly, izay lalao fahafito natrehin’ny Ankoay. Nanano sarotra an-dry Lova sy ny ekipany ny nanohitra an-dry zareo Egytianina izay efa nifanandrina tamin’ny Malagasy, nandritra ny famaranana ny “Afrobasket U18”, natao teto Madagasikara, ny desambra 2022. Diso fomba fijery ny Ankoay, raha nieritreritra fa haka fandresena mora foana manoloana an’i Egypte satria nivoatra be ity ekipa ity, tao anatin’izay herinandro niatrehana ny “Mondial” izay. Araka izany, sahirana ny Malagasy, niampy ny tsy fifantohana sy ny harerahana ihany koa ka resy tamin’ny isa mavesatra 64 no ho 104 nanoloana ny ekipan’i Egypta.
Tsy tafiditra tao anaty lalao mihitsy ny Ankoay, nandritra ny ampaham-potoana voalohany, ka nalalaka ny famonoam-baolina ho an’ny mpifanandrina. Tsy navelan’ireto laharana voalohan’i Afrika ireto hamono baolina rahateo ny Malagasy.
Nandresy ny mpampiantrano ny Ankoay
Na dia teo aza ny faharesena azon’ny ekipa malagasy, omaly alahady, nanoratra tantara izy ireo satria nahavita nandavo an’i Hongrie, tao amin’ny taniny. Fandresena faharoa azon’ireto mpilalaon’i Coach Mémé ireto ny fifandonana tamin’i Hongrie, ny sabotsy lasa teo, izay nahazoan’ny Malagasy ny fandresena 80 no ho 77. Izany hoe, fandresena roa amin’ny lalao 7 ary faharesena 5, no azon’ny ekipa malagasy. Tsiahivina, ny lalao nanoloana ny ekipan’i Liban, tamin’ny andro faharoan’ny fifaninanana no nisantaran’ny Ankoay ny fandresena, tamin’ny isa 83 no ho 66. Ny fihaonana teo amin’i Etazonia, Frantsa, Slovenie, Korea Atsimo ary Egypte kosa ny nahazoana faharesena. Vokatra mendrika raha ho an’i Madagasikara izao satria fandraisan’anjara voalohany ho an’ny ekipa malagasy amin’izany fiadiana ny amboara eran-tany izany. Traikefa sy lesona avokoa ny niainana nandritra izay andro maromaro izay, araka ny nambaran’ireo mpilalao ka hoentina hanatsara ny ho avy. Tsy nanadino nisaotra ireo rehetra nanohana azy ireo ny Ankoay, nanomboka hatrany amin’ny fanomanana hatramin’izao dingana vitan’izy ireo izao. Hanomana ny fifaninanana manaraka indray ireo mpilalao ary nampanantena ny hanao ny tsaratsara hatrany.
Mi.Raz