BEPC : mpiadina 47 mila fanomanana noho ny tsy fahatomombanana

Fanadinam-panjakana faharoa no hizotra manomboka anio, manerana ny Nosy. Vonona ny fotodrafitrasa sy ny mpiasa hisahana ny fampandehanana izany. Hanatrika ny fisantarana, eny amin’ny CEG Ampefiloha, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, anio maraina.

Manomboka anio ary haharitra hefarana, mpiadina 305 836 no hiatrika ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy izay mitsinjara amina efitranom-panadinana 9054. Efatra amin’ireo mpiadina teratany vahiny ary manana tsy fahatomombanana ara-batana kosa ny 47, izay mila fanomanana manokana ahafahany misitraka ny zony feno tahaka ny ankamaroan’ny ankizy malagasy mpiadina rehetra. Mpiadina 149 956 no nisafidy ny sokajy A, raha 155 880 nisafidy ny sokajy B, manome lanja kokoa ny taranja siantifika.
Ao anatin’ny sokajy A, 147 916 no hanao ny tenim-pirenena anglisy, 612 ho an’ny espaniola ary 1419 alemà.
Ho an’ny Cisco Avaradra­no, 88 08 ny isan’ny mpiadina amin’ity taona ity hiparitaka amin’ny foibem-panadinana 23, manana efitrano 298. Ankizy 11 taona ny zandriny indrindra hiatrika ny fanadinana eny Anosivavaka, raha 47 taona ny zokiny indrindra ka eny Ambohimangakely ny foibem-panadinany. Manana mpi­adina 11 303 kosa ny Cis­co Atsimondrano. Eto An­ta­nanarivo Renivohitra, 25 001 ny mpiadina ho an’ny foibem-panadinana 35.
Efa vonona ny efitrano handraisana ny mpiadina ary afaka nijery izany, izy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Ho fanampiana azy ireo manokana, nampahafantarin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tao amin’ny tambajotran-tserasera ny fomba famenoana tsara ny taratasim-panadinana. Hisantatra ny fanadinana ny tapany maraina, anio, ny taranja Malagasy haharitra ora telo ary handimby azy ny Science de la vie et de la terre, ny tapany hariva.
175 ny toerana hanaovana ny fitsarana ny kopiam-panadinana manerana ny Nosy ho an’ny foibem-panadinana 1072.

Vonjy A.

Partager sur: