Fanabeazana sy kolontsaina : 140 taona ny « Alliance Française »

Mizara telo lehibe ny asa sahanin’ny «Aliance Française» any amin’ny firenena misy azy. Fampianarana ny teny frantsay. Fampandrosoana ny famakiana boky ho an’ny rehetra. Fampivelarana ny kolontsaina amin’ny endriny rehetra. Ireo no nezahina nampahafantarina ny olon-drehetra, ny sabotsy 1 jolay teo, tao amin’ny Alliance Française Antananarivo (AFT) etsy Andavamamba. Nampahafantarina teny an-toerana fa kolontsaina samihafa no mifandimby omen-danja ao amin’ny AFT. Nisy ny fampirantiana «Au coeur de la lecture jeunesse». Ny fanatanterahana ny fahaiza-miteny sy mandaha-teny amin’ny alalan’ny «slam» niaraka tamin’i Riambola Mitia. Atrikasa fanaovan-tsary notanterahin’ny Plum’Art sy ny momba ny zavamaneno ravaka niarahana tamin-dRagasy. Ny fampianarana dihy, sns.
Manana sy mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampahafantarana sy fampivelarana ny fanabeazana sy ny kolontsaina eto Madagasikara ny Alliance Française. Mpanakanto (mpihira, mpitendry zavamaneno, mpanao hosodoko, mpanao sary sokitra…) maro no nisehatra sy nampiasa ity toerana ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: