Fandraharahana : natsangana ny CGA eo anivon’ny SIM

Hitodika amin’ny fanampiana torolalana sy hevitra ary lalam-barotra ho an’ireo orinasa madinika vao misondrotra ny ivontoeram-pitantanana (CGA), eo anivon’ny biraon’ny Sendikàn’ny indostria malagasy.

Tafatsangana eo anivon’ny biraon’ny Sendikàn’ ny indostria malagasy (SIM) ny ivontoeram-pitantanana ho an’ireo orinasa madinika « Centre de gestion agréé » (CGA). Natao izao, entina hanampiana ireo orinasa madinika vao misokatra. Hanohanana azy ireo ihany koa eo amin’ny lafiny hevitra sy fitantanam-bola ary ny fitadiavana lalam-barotra. “Maro ny tanora manana hevitra sy fahavononana amin’ny fananganana orinasa. Betsaka ihany koa ny orinana miforona saingy mirona amin’ny sehatry ny tsy ara-dalàna. Antony nahatonga ny SIM sy ny Pnud hanohana azy ireo”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny SIM, Rasamimanana Tiana. Haha­zo tombony samihafa ireo orinasa madinika mivondrana ao amin’ny CGA, indrindra eo amin’ny fampivoarana ny famokarana ataony. Tafi­ditra amin’izany ny fampiofanana mivantana eny anivon’ny SIM sy ny fanomezana fitaovana ary ny fanohanana azy ireo amin’ny asa ataony. Ao koa ny fanomezana torohevitra samihafa hampiroboroboana ny fananan’asa sy ny toekarena eto amintsika.

Misedra delestazy
Mandalo krizy samihafa ny orinasa malagasy, toy ny krizin’ny Covid-19. Taori­an’izay, tafaverina amin’ny famokarana ny 80%-n’ireo mpandraharaha. Ankehitriny, misedra ny olan’ny delestazy indray ny fandraharahana ka hanaovana antso avo amin’ny fanjakana mba hitady vahaolana maika. Sarotra ny fitantanam-bola ho an’ireo orinasa, noho ny fahatapahan’ny herinaratra. Ao ireo voatery mampiasa “groupe” entina mamokatra, misy anefa ireo tsy manana fahafaha-manao ka voatery mampiato ny famokarana. Ny karaman’ny mpiasa tsy maintsy aloa, hany ka tafakatra ambony ny vidin’entana noho ny masonkarena.

Henintsoa Hani

Partager sur: