Ho fandraisana ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay ho tanterahina eto amintsika ny 25 aogositra – 3 septambra dia hasiana fanamboarana ny kianja Makis, Andohatapenaka.
«Hasiana fanamboarana ny kianja Makis Andohatapenaka. Anisan’izany ny fanavaozana ny bozaka sy ny trano fiomanan’ny mpilalao “vestiaire”, ny trano fidiovana “douche”, sns…. Natao handraisana ny JIOI 2023 izany», hoy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny sabotsy lasa teo, teny Andohatapenaka. Marihina fa tonga nanatrika ny fanombohan’ny fifaninanam-pirenena diviziona voalohany sy faharoa, taranja rugby vehivavy, ny filoha. Tonga tao ihany koa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina sy ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS).
Raha ny fanadihadiana natao, hikatona ny kianja Makis afaka herinandro. Noho izany, hafindra ao amin’ny kianja Malacam Antanimena ny fifanintsanana XXL Top 20 sy ity fifaninanana ho an’ny vehivavy ity, manomboka ny 16 jolay. Raha ny vaovao voaray, ny MJS no mikarakara ny taratasy fahazoan-dalana, ahazoana mampiasa ny kianja.
Ankoatra izay, nisongadina tanteraka ny klioban’ny SCB Besarety sy ny FTFA Antohomadinika. Ny ekipan’ny Besarety dia nandavo ny XV Red, tamin’ny isa 34 no ho 0. Tsy vita hatramin’ny farany ny fihaonan’ny roa tonta noho ny ratra sy ny tsy fahampian’ny mpilalaon’i Tanjombato. Nomontsanin’ny klioban’Antohomadinika, tamin’ny isa mavesatra 59 no ho 3, ny RCTS Soavimasoandro. Tsara ny mampahafantatra fa misy mpilalao mandrafitra ny XV Makis Ladies farany teo, ny klioban’ny FTFA sy ny SCB. Anisan’izany ry Valisoa, Zouanah, Oliviane, ho an’ny Besarety raha toa ka ry Fenosoa, Monica, Marie Christine, ny an’Antohomadinika.
Fitia (Mpianatra asa)