Samy milaza ho tsy tompon’andraikitra tamin’ny tsy fahatanterahan’ny fifanatrehan’ny roa tonta, ny 30 jona teo, na ny solombavambahoaka na ny governemanta.
Tsy avy amin’ny solombavambahoaka ny tsy nahatanteraka ny fametraham-panontaniana ny governemanta. Io ny fanamarihan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, tamin’ny famaranana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo. Tsy misy tombony ho an’ny Antenimierampirenena ny tsy nanaovana izany.
Raha tsiahivina, nihemo-dava hatrany ny fanatanterahana izany. Faninefany izay nandritra iny fivoriana ara-potoana voalohany iny. Etsy andaniny, nanitrikitrika ny mpitondra tenin’ny governemanta, ny minisitra Rakotondrazafy Lalatiana, teny Tsimbazaza, ny 29 jona lasa teo, fa tsy avy amin-dry zareo ny tsy nahatanteraka ny fifanatrehan’ny roa tonta tamin’io andro io, araka ny fandaharam-potoana voafaritra. Manana ny fandaminany ny Antenimierampirenena. Matoa tonga teny an-toerana ny governemanta,vonona hanao ny fifanatrehana.
Misy ny fanantenana ny fifidianana
Nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena koa fa misy ny fanantenana ny famatsiam-bola ny fifidianana. Toa izany koa ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny tokony hanajana ny fahaleovantenan’ny fitsarana. Nasiany teny koa ny olan’ny Jirama tsy voavaha, na efa nankatoavin’ny solombavambahoaka aza ny famatsiam-bola hanampiana azy. Manoloana ny fanehoan-kevitra maro momba ny zom-pirenena, notsiahiviny kosa fa efa misy ny tolo-dalàna ny ho fanatsarana ny fehezan-dalàna mifehy ny fizakana zom-pirenena. Mbola hodinihina amin’ny fotoana mahamety azy izany.
R. Nd.