Misaona ny tontolon’ny basikety: nodimandry Robertson Dalton (Joma)

Semban-drahona indray ny tontolon’ny basikety malagasy. Nodimandry, teo amin’ny faha-31 taonany, ny sabotsy 1 jolay lasa teo, ilay mpilalao basikety malagasy, Robertson Dalton, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Joma. Tao amin’ny klioban’ny GNBC Basket-ball izy no nilalao ary efa nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Na­nana ny naha izy azy i Joma, izay antony nahatonga azy ho tafiditra ekipa nasionaly.
Araka ny vaovao voaray, lozam-pifamoivoizana ny sabotsy teo, raha nandeha moto ny nahafaty azy. Mbola nialana nenina teny amin’ny HJRA Ampefiloha saingy tsy tana intsony ny ainy.
Nisy ny fanaovam-beloma farany azy, teny amin’ny Toby CIRGN Ankadilalana, omaly alahady, nialohan’ny nitondrana ny nofo mangatsiakany any Mahajanga, toerana niaviany. Mbola miandry ny fandaminana kosa ny andro handevenana. Tonga nidodododo nankahery ny fianakaviana teny Ankadilalana avokoa, omaly, ireo tapaka sy namana, nahitana ny avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny basikety. Toraka izany koa ireo namana niara-nilalao taminy, tao amin’ny klioban’ny GNBC.

Mi.Raz

Partager sur: