Tarika sy mpanakanto roa samy manana ny mampiavaka azy. Samy manana ny mpitia ny sanganasany. Samy nihira ireo hira nahafantarana azy… Na namirifiry aza ny toetry ny andro, omaly, nafana ny teny Antsahamanitra. Nisantatra ny sehatra nitondra ny «Zara fitia» ny Reko Band. Hira mihetsiketsika nisesisesy avy hatrany no nisantaran-dry zareo izany, hany ka hatrany am-boalohany mihitsy no nisy ilay hafanana. Nientana nanaraka izay ihany koa ny mpijery. Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoana ihany koa ny fiarahan’ireto tarika ireto nihira tamin’i Rija Ramanantoanina. Fotoana nanamafy fa ni-«Zara fitia» tamin’ny mpijery izy ireo satria samy nahazo ny tandrify azy ny mpitia azy ireo. Na somary vitsivitsy aza ireo namaly ny antso, tsikaritra kosa ilay fifamatorana sy fiombonam-po ary fizarana fitiavana teo amin’ny rehetra tonga teny an-toerana.
Tsikaritra ihany koa ny traikefa sy ny fahaiza-miaraka ananan’ny Reko Band, na eo amin’ny feo izany na eo amin’ ny fitendrena zavamaneno. Ny fananan’i Rija Ramanantoanina hira tsy lefy ao anatin’ ny mpijery tsirairay. Mbola niteraka hafanana avokoa izy ireny. Nitondra hafanana toraka izany koa ny fahatongavan’ny sokajin-taona rehetra teny Antsahamanitra. Fantatra fa ny vondrona tily LXXXII no nikarakaraka ny «Zara fitia».
HaRy Razafindrakoto