Hotanterahina, anio, ao amin’ny Doany Miarinarivo, Mahajanga, ny Fitampohan’Andriamisara Efadahy Manankasina. Ny fianakaviamben’ny mpanjaka Sakalava sy Dina Herimisy Guy, Mpanjakaben’i Boeny no mikarakara ny hetsika. Fampandroana ny taolambalon’ireo Dady ahazoany ny anarana masina “Razana” no atao ao anatin’izany.
Tontosa soa aman-tsara, teny amin’ny Imaitsoanala Ambohimangakely, ny “Internationale Reggea Day 2023”, andiany fahafolo. Ny Youth’nity no nikarakara ny hetsika ho an’ny teto Madagasikara. Mpanakanto miangaly ny gadona reggea 12 no nandray anjara, ankoatra ny nasaina manokana.
Natao ny sabotsy 1 jolay teo, teny amin’ny Fondation H, Ambatomena, ny hetsika “Les Samedis de Fondation H”. Hetsika natao hanomezana fahafaham-po ny mpikambana sy ny olona liana amin’ny sehatry ny haikanto.
Manatanteraka fitetezam-paritra, any Espaina, ny Bloco Malagasy. Anio izy ireo no hanomboka hanatanteraka izany ka tsy hifarana raha tsy amin’ny 28 jolay 2023. Atrikasa maro samihafa, fampisehoana ara-javakanto, diabe amin’ny toerana maro ao Espaina no hameno ny fandaharam-potoanan’izy ireo.